Mandefitra lava : mila mifoha amin’ny torimasony ny Malagasy

Anisan’ny maha firenena ny firenena iray ny fananany fomba amam-panao sy kolontsaina mampiavaka azy. Manana izany tokoa isika saingy mandefitra lava noho ny antony maro.

Na tsy fomban’ny Ma­lagasy aza ny maniratsira zokiolona, efa lany andro izany ka aleo vingavingaina fa manao kirin’antitra, sns. Mandefitra ny zokiolona!
Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Mipoitra avokoa izao atsanga tsy aman’orana izao. Saika mirona any amin’ny fankahalana ny lamina voajanahary narahin’ny Malagasy avokoa ireo lohahevitra dinihina. «Ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy», «Ny vehivavy sy ny miralenta», sns. Mandefitra ny lehilahy!
Mbola henatra baben’ny kolontsaina malagasy hatramin’izao ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa mifanentana amin’ny kolontsaina sy zavakanto malagasy. Noho ny fananan’ny Malagasy kolontsaina maro, tokony hanana toerana maro hanehoana izany ihany koa i Madaga­sikara. Mandefitra ny kolon­tsaina!

Voakitika hatrany amin’ny hasina maha olona
Amin’ny teny vahiny ny teny hanazavan-javatra amin’ny mpianatra malagasy. Zaza malagasy beazina amin’ny fiteny vahiny. Mandefitra ny tontolon’ny fanabeazana! Samy manana ny soatoaviny ny faritra. Manana ny soatoavina iraisany ny Malagasy. Mandefitra manoloana ireo mpampandihy fitombenana. Mandefitra ny fady! Ilay fanahy maha olona, nosoloina vola, voninahitra, fahefana, sns. Tsy miteny ireo «manam-panahy»!
… Rehefa mandefitra lava, lany henatra no hiafarany. Tsy mahavita ny adidiny ireo raiamandreny fa vao mainka aza manampy ireo «tanora fanahy» hanaotao foana. Raha mbola hoenti-mandefitra tahaka izao ny fomba amam-panao, ny soatoavina, ny kolontsaina, ny fanahy maha olona, sns. Hahazo vahana eto amin’ity Nosy ity ireo mpamingavinga!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: