IFM Analakely : hitafa amin’ny mpankafy azy i Johary Ravaloson

Tanterahina anio maraina, eny amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely, ny tafatafa hiarahana amin’i Johary Ravaloson, Malagasy mpanoratra. Fizarana ny fomba fijery eo amin’ny sehatry ny haisoratra ankehitriny, indrindra ny eto Madagasikara. Fampahafantarana ny fomba fanoratany sy fizarana torolalana ho an’ny mpanoratra, indrindra ireo vao misandratra sy maniry hiditra eo amin’izany sehatra izany no handravaka ny hetsika. Tanjona ao anatin’izany ny fampitomboana sy fampivelarana ny haisoratra malagasy. Eo ihany koa ny fampidirana izany eo amin’ny sehatry ny matihanina kokoa.
Anisan’ireo Malagasy mpanoratra manana ny lazany, eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena i Johary Ravaloson. Ankoatra an’i Hary Rabary sy Michèle Rakotoson dia izy no Malagasy mpanoratra malaza ankehitriny. Anisan’ny nampalaza azy ny asa sorany “Tribunals des cailloux” sy ny “Fitiavana – Tanindrazana- Fozaorana”. Boky anisan’ny navoakany farany ireo, saingy anisan’ny be mpanjifa sy maro mpankafy ihany koa.
Maro ny efa niandry ity fotoana ity, ahafahana mitafa mivantana amin’i Johary Ravaloson, indrindra iresahana manodidina ny asa sorany.

Lin

Partager sur: