Mahita atao foana! Voasambotry ny zandary teny Anosizato Andrefana, ny faran’ny herinandro, ny lehilahy iray nanao fandikan-dalàna sady naniratsira mpitandro filaminana teo am-panatanterahana ny asany. Tsy nanaiky ny fandrindrana sy ny fandaminana ny fifamoivoizana nataon’ny zandary ity lehilahy ity fa nilaza ho maika sy nitonona ho miaramila mitondra ny galona Serzà. Tsy vitan’izay fa efa mamomamo sy nahenoana fofon-toaka ihany koa tamin’io fotoana io. Nandray fepetra avy hatrany ireo zandary miasa teo an-toerana ka naka ny fanalahidin’ny moto nentiny satria nambaran’izy ireo fa tsy miaraka ny familiana sy ny fahamamoana fa mety hitera-doza izany. Raikitra teo ny fifamaliana satria natosiny hibahana teo afovoan’ny arabe ny moto nentiny noho ny hatezerany sady novingavingainy ireo zandary nanao ny asany. Nosamborina izy ka nentina nanaovana famotorana savaranonando teny amin’ny biraon’ny zandary satria nampitohana ny fifamoivoizana ny fihetsika nataony. Tao anatin’ny famotorana azy no nahafantarana fa tsy miaramila akory izy fa mpanao taxi-moto. Heloka anenjehana azy ny familiana anaty hamamoana, faniratsirana, fanompana zandary eo am-panatanterahana ny asany, fisandohana asa sy andraikitra ho manamboninahitra lefitra eo anivon’ny Tafika Malagasy.
J.C