Tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray mpanaparitaka vola sandoka tao amin’ny fokontany Ambohidehilahy, kaominina Ambohidratrimo, ny 28 septambra teo. Naharay loharanom-baovao avy tamin’ ny tsara sitrapo, nosavaina ny trano fonenan’io lehilahy voarohirohy io. Nahitana vola sandoka 5 000 Ar miisa efatra niampy 10 000 Ar miisa roa tao aminy. Nihazona tombokase hosoka niampy akora fampiasa amin’ny fanamboarana ireo vola sandoka ireo koa io lehilahy io. Nentina natao famotorana izy. Nogiazana avokoa ny vola sandoka teny aminy.
Tsiferana R.