Mbola mitazona hatrany ny maha sangany azy eo amin’ny sokajy “1ère division”, taranja volley-ball, ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley-ball).
Vokatra tsara no azon’ny ekipa, omaly, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, nandritra ny famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, “1ère division”. Samy nandrombaka ny fandresena avokoa ny GNVB na ny lehilahy, na ny vehivavy. Ho an’ny sokajy vehivavy, seta 3 no 0 no nandavoan-dry Rojo sy ny ekipany ny ASI (Akany Sambatra Itaosy). Tsy afa-bela ity farany fa nataon’ny GNVB tsy nitoko nandritra ny seta 3 na dia niezaka nanohitra ihany aza. Efa hita rahateo ny fahampian’ny traikefa sy fahaiza-miaraka eo amin’ny GNVB ka azony mora ny fandresena.
Teo amin’ny sokajy lehilahy, tsy namela mora ny GNVB ny ekipan’ny ASI, tany am-piandohan’ny lalao ary azon’izy ireo ny seta 1 (25-17). Niezaka nitazona izay fahombiazana izay ny ASI. Saingy, nisy ny tsy fifantohana ka nobatain’ny GNVB hatramin’ny farany ny fandresena, tamin’ny seta 3 no ho 1. Nambaran’ny ny mpanazatran’ny GNVB fa nezahina ny nametraka taninketsa tamin’ity fifaninanana ity ary nahomby izany.
Nampiseho endri-dalao miavaka ny ASI.
Ekipa nisongadina ny ASI tamin’ity fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ity, izay nandrombaka ny laharana faharoa, teo amin’ny sokajy lahy sy vavy. Ekipa nahitana fivoarana haingana be izy ireo ary tao anatin’ny fotoana fohy no nanamboaran’ny mpanazatra ny taktika rehetra ka azo lazaina ho nahazoana vokatra izany. Laharana fahatelo teo amin’ ny sokajy lehilahy kosa ny GNVB 2 ary ny Squad kosa no fahatelo, teo amin’ny sokajy vehivavy.
Mi.Raz