Hanainga rahampitso Rasoanaivo Razafy Laura, sokajy -70kg, hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Juniors, taranja Judo. Fifaninanana izay hatao ny 2 hatramin’ny 8 oktobra izao, any Douchambe Tadjikistan. Ny alahady 6 oktobra izy no hiakatra tatami ary judokas 39 maneran-tany no hiady ny anaram-boninahitra eo amin’ny sokajy misy an’i Laura. Tsiahivina fa laharana faha-4 maneran-tany, eo
amin’ny sokajy -70kg juniors, no misy an’ity Malagasy judokas ity, amin’izao. Nampahafantarina ofisialy, omaly, ny fandraisana anjaran’i Laura amin’ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Juniors, ity. Nandray anjara tamin’ny hoenti-manana, ahafahan’i Laura hihazo an’i Tadjikistan, ny Federasiona iraisam-pirenen’ny judo, noho ny fahitany ny fahaiza-manaon’i Laura. Nisy ihany koa ny fanelanelanana nataon’ny filohan’ny Union africaine de judo, Randrianasoloniaiko Siteny, ka nanamora izao fanohanan’ny FIJ an-dRasoanaivo Razafy Laura izao.
Mi.Raz