Kianja CFFA Andoharanofotsy: Nomena ny mpianatra hanaovana fanatanjahantena

Teny natao, tsy maintsy tanterahina. Natolotry ny klioba CFFA Andoharanofotsy ho an’ireo sekoly ao anatin’iny faritra Andoharanofotsy iny ny kianja filalaovam-baolina azy ireo. Ny alakamisy lasa teo no natolotra tamin’ny fomba ofisialy izany. Laharam-pahamehana amin’izany ny hanaovan’ny mpianatra fanatanjahantena.
Nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), ben’ny Tanànan’Andoharanofotsy sady filohan’ny ligin’Analamanga taranja baolina kitra, fa vokatry ny ezaka nataon’ny klioba roa taona lasa no nahazoana ny tany nananganana ny kianja, izay avy amin’ny filoham-pirenena.
Nohamafisiny fa maimaimpoana ny fampiasana ny kianja. Notsiahiviny fa anisan’ny nampijaly ny mpianatra eny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny ny kianja hanaovana fanatanjahantena, hany ka voatery mandeha lavitra izy ireo manatanteraka izany. Manomboka izao, afaka hatao ao amin’io kianja CFFA io ny adina ara-panatanjahantena amin’ny BEPC sy ny Baccalaureat, manomboka amin’ity taom-pianarana ity.
Nangatahin’ny ben’ny Tanàna tamin’ny solombavambahoakan’ Atsimondrano sy ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao ihany koa ny hametrahana «tartan», amin’ny «piste» fihazakazahana.
Ankoatra izay, nanolotra baolina 85 ho an’ireo sekoly ao anatin’ny kaominina Andoharanofotsy, Rakotoarimanana Henintsoa (Tôta). Tsy hadinony ny nisaotra ny filoham-pirenena, izay vy nahitana sy angady nananana, nahavitana ny kianja CFFA Andoharanofotsy.

Tompondaka

Partager sur: