Manohy ny adisisika handaniana ny lalàna mahakasika ny fampitsaharana vohoka tsy mahafaty ny Nifin’Akanga. Fiarovana ny ain’ny renim-pianakaviana sy isorohana ny fanalan-jaza antsokosoko mitera-doza izany.
Nanamarika ny Andro iraisam-pirenena momba ny zo hisitraka ny fampitsaharana vohoka tsy mahafaty ny Nifin’Akanga, ny faran’ny herinandro teo, tetsy Soarano. Samy nanamarika ny hetsika kosa ny tany amin’ ny faritra.
Novoizina nandritra ny fanamarihana ireo antony ara-medikaly sy ara-pahasalamana tsy maintsy hirosoana
amin’ny fampitsaharana vohoka noho ny antony ara-medikaly (ITG). Fotoana nanehoana ny valin’ny fikarohana nataon’ireo manam-pahaizana sy mpanao gazety mifototra amin’ny fanadihadiana lalina ihany koa. Novatsian’ny Nifin’Akanga ny fikarohana nataon’izy ireo. Namantatra ny antony mahatonga ny olona tsy hanatona ny toerana voatokana hanaovana ny fampitsaharana vohoka ireo mpanadihady. Eo koa ny antony hanaovan’ny vehivavy ny fampitsaharana vohoka. Ny vahaolana aroson’ireo olona tsy mankasitraka ilay fampitsaharana vohoka. Ankoatra izay, ny fanadihadiana teny amin’ny hopitaly milaza ireo sakana mahatonga ny dokotera tsy mety mampitsahatra vohoka na ny fomba fandraisan’izy ireo io lalàna io, araka ny voalazan’ny Dr Andriamboavonjy Lovatiana, mpanorina ny Nifin’Akanga.
Miankina aman’aina ny fanalan-jaza ary lasa atao antsokosoko izany noho ny tsy mbola fisian’ny lalàna manome zo hampisitraka izany ara-medikaly. Maro ireo vehivavy mamoy ny ainy noho ny fanalan-jaza any amin’ny toerana tsy azo antoka. Voakitikitika ihany koa ny asan’ny dokotera satria tena mbola voararan’ny lalàna eto amintsika ny fanalan-jaza na dia antony ara-pahasalamana goavana aza.
Maro ny antony tokony hampitsaharana ny vohoka, toy ny fanolanana na an-tery nataon’ny olona no nahazoana ilay vohoka fa tsy sitrapon’ilay reny. Eo koa ny antony ara-pahasalamana na ny fahasamponana mavesatra….
Tatiana A