« Metal Madness Legends » : mbola manana ny mpankafy azy ny gadona metaly

Tontosa ny sabotsy 28 septambra 2024, teny amin’ny Kianja Analamaitso Anala­mahitsy, ny fampisehoana «Metal Madness Legends». Fampisehoana nankafizana gadona metaly rano iray izy ity, niarahana tamin’ireo tarika mivoy izany gadona izay. Anisan’izany ny Kazar, Apost, Egraygore ary Seth on fire. Fahombiazana no azo ilazana ity fampisehoana nokarakarain’ny Oz Rekordz ity. Sambany mantsy no nisy fampiraisana sehatra tarika efatra manana ny maha izy azy teo amin’ny tontolon’ny metaly. Mitohy ny dia ary efa eo am-panomanana ilay hetsika anisan’ny lehibe eo amin’ny tontolon’ny gadona metaly malagasy ireo mpikarakara.
Ambohipihaonan’ny mpan­kafy gadona metaly, ny tetsy amin’ny Kianja Ana­lamaitso Analamahitsy, nandritra ilay lamesa lehibe «Metal Madness Legends». Re nandritra ny fampisehoana ireo hira nanamarika ny gadona metaly nanomboka ny taona 1990 tany ho any hatramin’izao. Nasongadina manokana ny tarika Kazar. Izy ireo izay anisan’ny namakilay ny gadona metaly teto Madaga­sikara. Nanome tsiro ny fampisehoana ny fahaizan’i Milon miangaly ny gitarany. Nanam­py tosika izany ihany koa ry Lalah sy ireo mpikambana nandrafitra ny tarika. Tsy am­bakan’izany ihany kosa anefa ny an’ireo tarika hafa.
Maro mpankafy ary manana ny maha izy azy ny gadona metaly eto Madagasikara na dia tsy faheno sy tsy malaza be sahala amin’ny gadona hafa aza. Mipetraka hatrany ihany koa ny maha kanto ny gadona, noho izy mitaiza sy manabe, indrindra amin’ny alalan’ny lahatsoratra sy ny tononkira.

Lin

Partager sur: