Nahatrarana finday halatra: voasambotra izy roa lahy

Narahin’ny polisy nisahana ny fanadihadiana tamin’ny alalan’ny laharana IMEI an’ny telefaonina very, mpamaky trano roa lahy voasambotra tao Mandritsara, omaly. Nitrangana vaky trano tao amin’ny fokontany Ambohipo, ny alin’ny alahady 28 jolay lasa teo. Norobain’ireo jiolahy avokoa ny entana sarobidy tao amin’ny trano lasibatra. Nalain’ireo mpandroba koa ny finday. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny tompon-trano. Nanao ny fikarohana izay mety ho nahavanon-doza ny polisy eo anivon’ny EPJ. Narahina ny code “IMEI”. Nosamborina ny lehilahy iray nihazona ny finday halatra. Nitoroka ny mpiara-manao ratsy aminy izy. Niaiky heloka izy roa lahy fa tompon’antoka tamin’ny famakiana ny trano, ny 28 jolay lasa io. Nahitana fitaovana fampiasany manao ny asa ratsy koa teny amin’izy roa lahy. Nentina natao famotorana, atolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: