Tokotaniben’ny firaisankina

Miroborobo izaitsizy ny diplaomasia malagasy. Ha­tramin’ny kirizin’ny taona 2002, izao vao mipetraka amin’ ny toerana sahaza azy ilay firenena. Tena mipetrapetraka ny paikadin’ny minisitera mpiahy izany. Azo tsapain-tanana ny vokatry ny fahaiza-manao. Ilay minisiteran’ny Rahara­ham-bahiny angamba no anisan’ireo departemanta vitsy dia visty ahitam-bokany avy hatrany amin’ilay governemanta.
Tsy sanatrian’ny vava, fanasongadinana manokana fa tena soa fianatra. Mila olona haingam-piasa, miaraka amin’ ny ekipa tena matihanina ilay Madagasikara. Tsy ampy olona manana finiavana sy resy lahatra toy izany ny firenena. Mila tanora vonona sy vanona, manam-pahaizana sy fahendrena. Raha ny zava-bita hatreto no halain-tahaka, tsy maintsy mandroso tokoa ilay Madagasikara. Indrisy anefa! Misy minisitra na ny andraikitra sy ny anarany aza tsy hain’ny olona akory.
Zava-dehibe iray, mampiavaka an’i Madagaiskara amin’izao fiandohan’ny fitondrana « Rajoelina 2 » izao, ny filalaovantsika ny tokotaniben’ny sehatra iraisam-pirenena. Mahazo vahana ny firaisankina amin’ny any ivelany. Mamaky lay izany ny fametrahana ilay tanimboly iraisan’ ny firenena mpikambana amin’ny ranomasibe Indianina. Mazava ny fitsipi-dalao. Hivelatra amin’ny sehatra lehi­bebe kokoa i Madagasikara. Izay anisan’ny mpisehatra fototra.
Ny irariana amin’ny fivoaran’ny toe-javatra tahaka itony dia ny ho fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka isaky ny firenena misy azy avy. Ny indrokely, tsy mbola voafa­ritra mazava ny fitsipi-dalao, afa-tsy ny hoe fanoloran’ny isam-pirenena tany ho volena.
Mila fahaizana manararaotra ihany koa anefa ny fivelarana goavam-be amin’ny firenena hafa ity. I Mada­ga­si­kara rahateo no mpitarika amin’izao fotoana izao. Men­drika ny higoaka vokatra ny Malagasy.

r.r

Partager sur: