Anisan’ny ho ainga vao ho an’ny Televizionina Malagasy ny fahazoana fitaovana vaovao sy fotodrafitrasa vaovao. Hitarika fomba fiasa vaovao ihany koa ho an’ireo mpiasa ary hitondra vaovao tsara kalitao ho an’ny mpijery.
Notontosaina omaly, ny fitokanana ny « studio » vaovaon’ny Televizionina Malagasy (TVM) sy ny fanolorana ny fitaovana avy amin’ny vahoaka Japoney, tamin’ny alalan’ny Jica. Teny amin’ny foiben’ny Televizionina Malagasy Anosy no nanatanterahina izany, ary anisan’ny niatrika izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, sy ny avy amin’ny ambasadaoron’i Japon ary ny mpandrindran’ny vondrona Jica. Tanjona ao anatin’ izany ny hanomezana vaovao tsara kalitao ho an’ny Malagasy. Ankoatra ny lanonam-pitokanana, nisy ihany koa ny fivahinianan’ny filoha, tao amin’ ny TVM, niresahany mahakasika ny toe-draharaham-pirenena amin’ny ankapobeny.
Fanomezana mitentina
5 miliara Ariary, avy amin’ny governemanta japonais, tamin’ ny alalan’ny vondrona Jica, no nahafahana nanao izao fanatsarana sy fanavaozana ny fitaovana sy ny toerana fanolorana vaovao ho an’ny TVM izao. Manampy izay, nisy ihany koa ny fanofanana ireo teknisianina hikirakira izany fitaovana vaovao izay anisan’ireo hika farany eo amin’ny tontolon’ny fampitam-baovao amin’ ny fahitalavitra izany.
Ankoatra izay, tao anatin’ ny tafa nataon’ny filoha no niresahany mahakasika ny fiainam-pirenena. Anisan’izany ny fahombiazan’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fahatokisan’ ireo vondrona iraisam-pirenena maro samihafa an’i Madagasikara. Tao anatin’izany ihany koa no nanambaran’ny filoham-pirenena mahakasika ireo laharam-pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana ho fampihenana ny fahasahiranam-bahoaka. Anisan’izany ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Eo ihany koa ireo tetikasa mahakasika ny olan’ny herinaratra eto Madagasikara sy ny fanatanterahana ny « Route du Soleil », izay lalambe mikodana.
Lin