Miisa 2 ireo olona maty nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy teo, raha ny tatitra nataon’ny eo anivon’ny hopitaly HJRA. Miisa 46 ireo niditra hopitaly. Nahatratra 223 ireo tonga nizaha fahasalamana teny an-toerana, hoy Rafilipison Nathalie, lehiben’ny sampana serasera eo anivon’ny HJRA. Nahitana olona narary avokoa ny sampana vonjy taitra sy vonjy aina tao amin’ny HJRA. Raha ny tao amin’ny sampana vonjy taitra manokana, miisa 32 ny antontanisa mikasika ireo loza niseho teny anivon’ny fiarahamonina. Nahatratra 23 ny loza nateraky ny fifamoivoizana. Loza niseho teo amin’ny sehatry ny asa nahitana olona iray. Loza niseho teny an-dalambe niisa valo. Loza niseho teo anivon’ny fanatanjahantena niisa roa. Olona 1 maty tamin’ny andron’ny Noely.
Raha teo amin’ny sampana vonjy aina indray, miisa 15 ireo olona tonga nizaha toe-pahasalamana tao. Olona enina nahitana, lehilahy efatra sy vehivavy roa, narary vokatry ny fisotroana zava-pisotro misy alikaolo. Vehivavy roa fantatra fa nihinana sakafo tsy ara-pahasalamana. Aretina hafa ny an’ny vehivavy iray sy lehilahy iray maty tamin’izany.
Nahitana fiakarany ny tahan’ny olona nanatona hopitaly tamin’iny andro fety iny. Nahatratra 223 ireo tonga nizaha fahasalamana teny an-toerana raha toa ka 192 tamin’ny taona lasa. Marihina fa tsy nahitana olona saika namono tena tamin’ity taona ity raha nisy roa tamin’ny herintaona. Tsy nahitana aretina fahatapahan’ny lalandrà amin’ny loha ihany koa tamin’iny fety iny.
Mino( Mpianatra Asa)