Niavaka ny vokatra azon’ny Malagasy tamin’ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “ITF Tennis World Tour Junior J30”. Nahazo amboara telo i Madagasikara ka ny roa tamin’ireo norombahin-dRakotomalala Mahefa avokoa.
Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianjan’ ny Club Olympique de Tananarive (COT), ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “ITF Tennis Tour Junior J30”. Tsy nitsanga-menatra ireo Malagasy mpilalao satria nandrombaka amboara telo. Anisan’ny niavaka tamin’izany ny zava-bitan-dRakotomalala Mahefa izay nanao pao-droa.
Norombahiny ny teo amin’ ny olon-tokana sy ny olon-droa miaraka, lehilahy. Adin’ny samy Malagasy ny famaranana teo amin’ny olon-tokana, izay nifanandrinany tamin’Andriantefihasina Mirija. Nampiseho endri-dalao nahafinaritra izy mirahalahy ary tena mendrika ny lantana lalao famaranana ny fihaonana. Nisaraka tamin’ny seta 2 no ho 1 ny lalaon’izy ireo. Lasan’i Mirija ny seta voalohany, 6/2 avy eo tsy namelan’i Mahefa raha tsy azony ny seta roa manaraka, izay niafara tamin’ ny (6/3; 6/4).
Mbola norombahin-dRakotomalala Mahefa ihany koa ny medaly volamena ho an’ny olon-droa, niarahany tamin’i Mirija. Resin’izy mirahalahy tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1; 6/0), ireo teratany Indianina, i Megh Patel Maulik sy i Tanay Mukesh Sharma. Tsy niady mihitsy ny lalao fa nataon’ireo Malagasy tsy nisotro rano mihitsy ry zalahy.
Ho an’ny sokajy vehivavy, voahosotra ho tompondaka teo amin’ny olon-droa ihany koa Andriantefihasina Elisoa sy ilay italianina, i Nicole Ballotta, rehefa nandavo ireo afrikanina tatsimo, i Dube Lea sy i Nikilitha Ndungane. Seta roa (6/3; 6/3), no nibatan-dry Elisoa ny amboara. Tompondaka lefitra i Elisoa teo amin’ny lalao ho an’ olon-tokana, rehefa niondrika teo anatrehan’ilay afrikanina tatsimo, i Roxy Bredenkamp, teo amin’ny famaranana.
Torcelin