Nikasa hanondraka menaka mangotraka am-badiny ilay ramatoa kinanjo nandoro ny moto tao an-trano izany. Nirehitra avokoa ny tanàna manodidina.
Nitrangana haintrano indray tao Mangarano Toamasina, parisela 11/46 carreaux faharoa, ny alatsinainy alina teo. Araka ny tatitra nampitain’ny lehiben’ny Sampana mpamonjy voina ao Toamasina, ny Kly Charles Désiré, niainga avy tamina adina mpivady mifanila trano amin’ireo niharam-boina ny firehetan’ny tanàna. Voalaza fa nifamaly izy mivady ireto ka tsy vitan’izay fa mbola nifampikasi-tanana ihany koa. Namely voalohany ilay raim-pianakaviana. Nandray vilany fanendasana mbola misy menaka mangotraka koa ramatoa vadiny. Mbola teo ambony fatana io vilany misy menaka io ka natsipiny tany amin’ilay rangahy vadiny. Tsy nahavoa azy anefa izany ka niantefa tany amin’ny moto feno solika. Nipoaka avy hatrany ilay moto ka nitarika ny firehetana tao an-trano. Haingana ny fihitaran’ny afo tamin’ireo trano teo amin’ny manodidina. Tranohazo avokoa ny ankamaroan’ireo trano teo amin’ny manodidina ka anisany nitarika ny firehetana haingana. Vokany, trano miisa 14 no lasa lavenona niaraka tamin’ireo fananana rehetra an’ireo niharam-boina. Fianakaviana miisa 14 koa no tsy manan-kialofana noho ity haintrano ity. Lasa nitsoaka avy hatrany izy mivady taorian’izay. Mbola hifampitadiavan’ny fokonolona izy ireo hatramin’ny omaly. Nanao izay ho afany tamin’ny famonjena sy famonoana ny afo ny teo anivon’ny Sampana mpamonjy voina. Na teo aza anefa izany, tsy nisy ny aina nafoy na naratra tamin’ity loza ity.
Sajo