namono ramatoa 66 taona : Atidoha nikotrika ilay mpiandry omby

Niakatra fampanoavana ny alatsinainy teo ny raharaha momba ny fanolanana niharo vono olona tao amin’ny fokontany Ambohitsinindriana, kaominina Ambohitrambo, distrikan’Arivonimamo. Vokatry ny angom-baovao nataon’ny mpitandro filaminana nanao famotorana, ilay mpiandry omby no tompon’antoka tamin’io vono olona io. Nampiditra ny jiolahy tao an-tranon’ilay ramatoa 66 taona, izay mpampiasa azy. Nanamparan’ireo tsy valahara ny filan-dratsiny io renim-pianakaviana io, ny 23 septramba teo. Tsy vitan’izay, notsatotsatohan’izy ireo antsy ny lasibatra. Naharay ny zava-nisy, nidina nanao fanadihadiana ny zandary. Hita faty nitsirara tao an-tranony ilay ramatoa. Nifatotra teo amin’ny tongom-pandriana kosa ilay mpiandry omby. Nandrahona tamin’ny alalan’ny taratasy najanona teo afovoan-trano ireo nahavanon-doza. Niaiky heloka moa io mpiandry omby io rehefa natao famotorana lalina. Tsy olona hafa, izy ihany no nanoratra ilay taratasy. Nanaovana vela-pandrika ireo namany. Vokany, olona fito niara-nosamborina. Niafara amin’ny fihazonana azy ireo vonjimaika any am-ponja izany.

Tsiferana R.

Partager sur: