Afapo tanteraka tamin’ny fifanintsanana “VMoto Padel Trophy” ny Malagasy mpilalao padel. Miisa 36 mianadahy ireo mpandray anjara tonga teny Ambatobe, ny 28-29 septambra teo. Hiezaka ny hanaparitaka ny taranja any amin’ny faritra ny federasiona.
Nikarakara fifanintsanana “VMoto Padel Trophy” tetsy amin’ny Lamakoo Padel Center Ambatobe, ny faran’ny herinandro teo, ny Federasiona malagasin’ny taranja tenisy anaty efitrano “Padel” (FMP). Marihina fa ity no fifaninanana ho an’ny lalao isan-tarika notanterahina voalohany ary manana vina ny hampivelatra ny taranja manerana an’i Madagasikara izy ireo, na eo amin’ny fitantanana federaly izany na amin’ny fikarakarana lalao.
Araka ny vaovao voaray omaly, nahitana fahombiazana tanteraka ity hetsika ity. Nampitombo ny isan’ireo mpilalao manana taratasim-pilalaovana ary nanamafy ny fisian’ny fifanintsanana maro, izay eo ambany fiahian’ny federasiona (FMP).
Raha ny fanazavana voaray, nahatratra enina ny ekipa, izay nahitana mpilalao telo lahy sy telo vavy, ity fifaninanana ity. Afaka nandray anjara avokoa ny rehetra na tsy manana taratasim-pilalaovana aza.
Maro tamin’ireo Malagasy kalaza tamin’ity taranja ity no namaly ny antso. Anisan’izany ry Robinson Fitia sy Radilofe Nantenaina ary Rakontondramboa Miary Zo. Nomarihin’ny mpikarakara fa nahatonga solontena ny Tamatave Padel Club.
Tsara ny mampahatsiahy fa efa mipetraka eto Afrika ny anaran’i Madagasikara amin’ity taranja ity. Efa voahosotra ho tompondakan’i Afrika ny ekipa nasionaly malagasy, ny volana aogositra lasa teo, tany Mauritanie.
F.R