Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fampiofanana ireo mpikatroka Taekwon-do ITF miisa 200 mahery. Tanjon’ity hetsika nokarakarain’ny kaomisionina rezionaly Analamanga ity ny hamoaka mpilalao hisolotena ny faritra any amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, hatao ny faran’ny volana novambra izao. Ankoatra izay, natao hanamafisana ny teknikan’ireo mpikatroka ihany koa izany. Nambaran’ny tomponandraikitra fa mandritra io fifaninanam-pirenena io no hifantenana ireo mpikatroka izay hisolotena an’i Madagasikara amin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena amin’ny taona ho avy io. Hivoaka ny volana desambra ho avy izao io lisitra io raha tsy misy ny fiovana. Tsara ny mampahafantatra fa maro ny hetsika ivelan’i Madagasikara handraisan’ny Malagasy atleta anjara. Anisan’izany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sy ny fiadiana ny amboaran’ny faritra Asia Atsimo ary ny fifaninanana maneran-tany amin’ity taranja ity. Ankoatra ny eto Analamanga, hitohy any amin’ny faritra sasany ity fampiofanana sy fifantenanana mpilalao ity.
F.R