SOMBIM-BAOVAO

Namoaka fanambarana ny Federasiona
malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, fa hisokatra eo anelanelan’ny 30 septambra hatramin’ny 15 oktobra ho avy izao ny fifindrana mpilalao eto Madagasikara. Marihina fa tsy main­tsy mahazo fankatoavana avy amin’ny klioba nialany ny mpilalao iray vao afaka mifindra.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tany amin’ireo faritra enina eto Madagasikara, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy U17. Nisongadina tanteraka ny klioban’ ny Yfomac Analamanga, izay nanamontsana an’i Talenta School Itasy, tamin’ny isa 4 no ho 1.

Hikarakara fifanintsanana etsy amin’ny Kianjan’ny Makis Andohatapenaka, manomboka ny asabotsy ho avy izao, ny kaomisionina Analamanga rugby. Hisy lalao miisa efatra handeha eny an-toerana, ka hanokatra ny fihaonana amin’izany ny fikatrohan’ny Somasud Ampefiloha sy ny XV Banane Ando­ha­tapenaka.

Hitohy anio ny fiadiana ny ho tompondakan’
i Eoropa, “Ligue des Champions (LDC) 2025”. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro amin’izany ny fifanandrinan’ny Losc Lille France sy ny Real Madrid Espagne. Araka ny fikarohana natao, hampiantrano ity fihaonana ity ny frantsay. Tsiahivina fa ny Real Madrid no nahazo ny amboaraben’ny LDC, farany teo.

Partager sur: