Fanaparitahana fitaovam-piadiana : mpivarotra bala naiditra eny Antanimora

Manaparitaka fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna, lehilahy iray niakatra fampanoavana tetsy Anosy, omaly. Nota­nana am-ponja, miandry ny fotoam-pitsarana izy.

Nivarotra bala tena izy, naiditra am-ponja von­jimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny lehilahy iray, omaly. Manana toeram-pivarotana manokana izy teo Antanimena. Sarontsaromany amin’ny famarotana « airsoft » na ireny fitaovam-piadiana plastika maka tahaka amin’ny tena izy ireny izany. Nanao­van’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny polisim-pirenena fitsirihana manokana ny tsenan’io lehilahy io. Nahitana bala tena izy maromaro tsy manana taratasy mazava tao aminy. Notsirihana manokana teny anivon’ny Polisy siantifika sy teknika ireo bala ireo. Voa­porofo fa bala tena izy. No­samborina avy hatrany moa io lehilahy io, ny 27 septambra. Natolotra ny fampanoavana, omaly, izy taorian’ny famotorana. Nidoboka am-ponja taorian’izay.

Mampirongotra ny asan-jiolahy

Anisan’ny mampirongatra ny asan-jiolahy eto an-dReni­vohitra ny fiparitahan’ny bala tsy ara-dalàna tahaka ity tra-tehaky ny mpitandro filami­nana tetsy Antanimena ity. Manao mora ny fisitrahan’ireo olon-dratsy ny bala hampiasainy amin’ny asa fanafihana sy fandrobana vokatry ny fisian’ny mpivarotra bala tsy ara-dalàna. Na izany aza, manao ny fomba rehetra ha­mongorona ireo minia mivarotra io karazana bala io eto an-toerana ny eo anivon’ny polisim-pirenena. Raha tsiahivina, nitrangana fanafihan-jiolahy teny Ampasanimalo ny 1 oktobra teo. Naratra vokatry ny fifandonana tamin’ny jiolahy ny polisy iray eo anivon’ny USI. Nankahery manokana ity farany moa ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Contrôleur Général de Police, Rakotoarimanana Herilala, omaly.

Tsiferana R.

Partager sur: