Lavo nandritra ny fifandonana teo amin’ny zandary ny malaso raindahiny, fantatra amin’ny anarana hoe : Lezafy Vazaha, tao Ankisatra, kaominina Akondromena, distrikan’i Miandrivazo, omaly maraina. Nahazo angom-baovao mialoha ny zandary fa hisy dahalo hanafika ao an-tanànan’Ankisatra, omaly. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny zandary niaraka tamin’ny fokonolona. Tonga tokoa ireo andian-dahalo nikasa hanafika sady haka omby iray vala. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ireo mpanara-dia ka tao anatin’izany no nahavoatifitra ny an’i Vazaha. Fantatra fa isan’ireo dahalo nampitondra faisana tao amin’ny distrikan’i Miandrivazo i Vazaha sy ny namany. Tsy vitan’ny manafika fa sady mpaka an-keriny ihany koa izy. Toerana andalovan’ireo dahalo mpanao fanafihana rahateo iny distrikan’i Miandrivazo iny.
J.C