Nahomby indray aloha ny paikadin-tseraseran’ny filohan’ny Repoblika, mahakasika ny olon’ny rano sy jiro eto an-dRenivohitra. Nangingina ny mpitabataba eny amin’ny tambajotran-tserasera sy ny mpisintona lakolosy, ary ny mpandrangitra sy ny mpandrehitra afo. Na ny ankamaroan’ny lasibatra aza, mba nanakombom-bava, omaly.
Nilokaloka ny hitondra vahaolana rahateo ny mpizaika teny Ambohitsirohitra amin’ny hamehana, sy ny ho lavitr’ ezaka. Ny toetry ny andro no efa iaraha-mahalala ho rangory fototry ny afo. Tsy misy afaka ny ifanome tsiny fahatany. Tsy afaka mikofoka na manana paikady sy teknika avo lenta aza ny manam-pahefana. Ny natiora mihitsy no efa manao fay rano ara-bakiteny.
Manoloana ny zava-misy, samy manana andraikitra ny tsirairay amin’ny fitadiavam-bahaolana. Inona tokoa no azo atao amin’ny famaizan’Andriamanitra antsika, noho ny fanimbana ny tontolo iainana. Firifiry ny loharano ritra noho ny fandrimpahana ny ala. Firifiry ny vohitra mihotsaka ka manentsina ny lalan-drano. Ritra avokoa izay mba heverina afaka ny hamokatra rano sy azo trandrahina ho herinaratra.
Ekena fa manana ny andraikitra goavana ny fitondrana. Betsaka rahateo ny lokalokan’ny filoham-pirenena tamin’ny ho fanafoanana ny delestazy. Tsy kivy rahateo Ramalagasy efa nolazaina fa tsy maintsy miandry lava. Na izany aza tsy tokony hitazam-potsiny, mila mitady ny fomba hialana amin’ny olana izay mianjady aminy mivantana ny mponina. Mitondra izay mba anjara biriky azo atao na dia ny fikolokoloina izay tontolo manodidina ihany aza.
Mahonena ny zava-misy, raha mitazana ny doro tanety izay mibaribary fa antony voalohany mahatonga ity fahoriana itambarambe sy iaraha-mizaka ity. Tena tsy mety fay kanefa dia mizaka ny tseran’ny aina isan-taona.
r.r