Hotanterahina ny alahady 6 oktobra ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny ankatoky ny famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja Rugby, sokajy vehivavy. Hifanandrina amin’izany ny UAS Cheminots sy ny Fanja Anjanahary.
Tontosa ny talata lasa teo, tamin’ireo kianja enina manerana ny Nosy, ny andro voalohany hiadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja baolina kitra vehivavy «sénior» sy U17. Teo amin’ny sokajy zokiny, nisongadina ny fandresen’ny Ascuf ny AS Amimi, tamin’ny isa mavesatra 10 no ho 1.
Hiditra amin’ny dingana fahefatra amin’ny fifaninanam-pirenena, eo amin’ny familiana fiarakodia ny federasiona sport automobile de Madagascar (FSAM). Hatao ny 11 – 13 oktobra ho avy izao, ny andiany faha-45 amin’ny Grand rallye International de Madagascar, karakarain’ny klioba ASA Tana.
Mitohy eny amin’ny Club Olympique de Tananarive, ny dingana faharoa amin’ny ITF World Tennis Tour J30, sokajy zandriny lahy sy vavy. Manohy ny lalany hatrany ireo Malagasy mpilalao eo amin’ny olon-tokana lehilahy. Tafita ary niatrika ny ampahefa-dalana, izy mirahalahy.