Very ny vola 200 000 Ar: Roa lahy voambana sabatra tanaty fiara

Mpitondra fiara voadidina fito lahy. Niditra an-keriny tao anaty fiara ny lehilahy iray ary nanambana sabatra. Nandratra ary nandroba ny vola ireo olon-dratsy, tetsy Andohatapenaka.

Norobain’ny jiolahy tao anaty fiara ny lehilahy iray teny Andohata­penaka, ny alin’ny alarobia teo, tamin’ny 10 ora sy sasany alina. Namonjy fodiana toy ny mahazatra azy, hampiditra ny fiara ao amin’ny toerana fametrana izany ny lehilahy iray. “Ramatoa efa mahazohazo taona io mpiambina ao amin’ ny garage io ka somary ela ela izy”, hoy ny nambaran’ny anabavin’ny lasibatra. Irery tao anatin’ny fiara ilay lehilahy no nahita mpivady niady. Tampoka teo, niditra tampoka tao anatin’ny fiara ny lehilahy iray tsy fantam-piaviana. Ni­ton­dra sabatra izy. Voambana teo amin’ny lohany ilay lehilahy nitondra fiara ka tsy afa-nandà. “Nasain’ilay olon-dra­tsy nopihan’io zokiko io ny ji­ron’ny fiara”, hoy ny fianakaviana akaikin’io niharan’ny fandrobana io. Nalain’ilay olon-dratsy ny fanalahidin’ny fiara. Nahatazana avy lavitra, noheverin’ireo havana akaiky an’io lehilahy io ho olona eo amin’ny manodidina ireo na­no­didina ny fiara. “Nataonay ho olona guide an’ilay tomobila ireo olona ireo”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Nam­pandoalihan’ireo mpandroba anefa ity farany sy ny vadin’ ilay lasibatra niampy ny rahalahiny. Nasain’ireo mpanendaka nesorina avokoa ny volafotsy sy ny firavaka rehetra teny amin’ireo olona ireo. Voaroba ihany koa ny telefaonina. Nitsoaka nandositra ireo mpandroba taorian’io. Nieza­ka nanara-dia tamin’ny fiara ireo lasibatra saingy tsy hita ny nanjavonan’ireo jiolahy taorian’io. Mpivady nandeha moto nifanandrify tamin’ny lalana nandosiran’izy ireo voadaroka ny “bois-rond”, ka voatery nentina nihazo ny hopitaly manaram-penitra.

Voaroba ny volabe
Ankoatra io, kamiao iray hafa koa nisy nandroba tany Ambalanirana, distrikan’i Tsiroanimandidy, ny 1 oktobra teo tamin’ny 3 ora tolakandro. Nosakanan’ny jiolahy efa-dahy ny mpamily teo amin’ny toerana Ankadilalampotsy, fokontany Ambatolampy, kaominina Ambalanirana. Nitora-bato ny mpandroba. Nijanona, nalain’ireo jiolahy ny vola nitetina 17 100 000 Ar. Naratra ny mpamily ny fiara. Nentin’ny tsara sitrapo nihazo ny toeram-pitsaboana io lasibatra io.

Tsiferana R.

Partager sur: