Hiditra amin’ny manasa-dalana rahampitso sabotsy ny fiadiana ny tompondaka nasionaly “Elites 8” N1A, taranja basikety. Efa fantatra avokoa ireo ekipa 4 mendrika, sokajy lahy sy vavy, taorian’ny andro faha-7, omaly. Laharana voalohany ao amin’ny sokajy vehivavy, ny MB2ALL Analamanga, rehefa nandresy ny Ascut Atsinanana, tamin’ny isa 63 no ho 59. Raha ny isa nandritra izay 7 andro izay, samy tafakatra amin’ ny manasa-dalana ireo ekipa roa ireo. Toraka izany koa ny GNBC Analamanga sy ny JEA Vakinankaratra izay nifanandrina, omaly. Araka izany, ny MB2ALL, ny GNBC, ny JEA ary ny Ascut no hiady ny tapakilan’ny famaranana, eo amin’ny vehivavy. Ho an’ny sokajy lehilahy kosa, laharana voalohany ny Ascut Atsinanana, faharoa ny GNBC Analamanga, fahatelo ny COSPN Analamanga ary fahefatra kosa ny BCB Boeny. Ireo ekipa 4 ireo no tafiditra amin’ny “Elites 4” ka hiatrika ny manasa-dalana, ho amin’ny rahampitso. Ny alahady izao kosa no hanaovana ny famaranana, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.
Mi.Raz