Madajazzcar: handray anjara i Lalatiana

Vahiny tsy nampoizina. Efa fantatra fa handalo an-tanindrazana i Lalatiana, saingy omaly kosa vao fantatra fa anisan’ireo handray anjara amin’ny “Madajazzcar” andiany fa­ha-35 ny tenany. Any Antsira­be ny fiakarany an-tsehatra, mandritra ny seho famaranana, ny alahady 12 oktobra izao. Seho ao amin’ny Hotêl des Thermes Antsirabe, manomboka amin’ny 4 ora hariva.
Nigadona an-tanindrazana omaly alina i Lalatiana. Roa taona no tsy nisehatra teto ity mpanakanto ity, ka manome fotoana ireo mpankafy azy indray. Ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maham­asina ny seho goavana, ny alahady 20 oktobra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Ireo tanora mpitendry efa zatra miaraka aminy ihany no hitrotro ny fampisehoan’i Lalatiana, na ny any Antsirabe na ny eto Antananarivo. Anisan’ireny ry Joro (gitara), Njaka (vata maroafitsoka), Henintsoa (gi­tara beso), Josia (amponga maroanaka), Andry Mika (saxophone), Tsanta (zavamaneno tsofina) sy ireo mpanao feo lafika mpanaraka azy. Ho avy manokana ihany koa i Rija Randrianavosoa, mpitendry gitara mpanaraka azy amin’ ireo sehon’i Lalatiana any ivelany any. Izy mianadahy rahateo no niara-niketrika ilay rakikira “Dobla sento”.
Mbola mety misy daty hafa ankoatra ireo roa ireo ny seho hataon’i Lalatiana amin’izao fandalovany izao, saingy tsy mbola voafaritra izany.

Zo ny Aina

Partager sur: