Firenana iray anisan’ny manana vahoaka tena mahazaka « dona » i Madagasikara. Tsy misy olona mahari-pery mihoatra ny Malagy angamba eto ambonin’ny tany. Asa, noho ny maha Nosy azy ka tsy mba manana olona azo ianteherana. Manana fisaina mitokatokana ka tsy maintsy miaritra na mizaka izay zava-miseho.
Maro ny zavatra tsy manjary. Marolafy ny fahoriana tsy maintsy zakaina. Indrisy, aleon-dRamalagasy milanja mangina ny hazo fijaliana. Miaiky volana hatramin’ny vazaha na mandalo fotsiny aza. Maro no miloa-bava sy manao fampitahana amin’ny fireneny sy firenena mahantra hafa. Tsy midika ho fanoherana na fikasana hanongam-panjakana ny fanaovana hetsika sosialy.
Matetika ireo tia tena nahazo fitondrana no mamadi-dresaka ho politika. Ireo manontany ny ory, tsy mahatsapa izany tsy fisiana no mandrangitra ny tompom-pahefana ka mamoritra ny madinika. Ireto farany izay efa voapempo andro aman’alina. Tsy manana saina na hery hoenti-mihoatra intsony.
Tsy hita homen-tsiny ilay valalabemandry tsy mety mifoha. Aiza no afaka hitaky ny zo? Ny ho hanina anio aza efa trosaina rahampitso sy rahafakampitso. Mafy raha mafy ny mianjady amin’ilay Malagasy. Soa ihany! Efa mikaro-bahaolana hoe ny Filohan’ny Repoblika. Miezaka ny mitady andro aman’alina ny hamahana ny olana sosialin’ilay « madinika » izay anisan’ny tena nifidy azy.
Miady irery ihany koa anefa ilay filoham-pirenena. Rehefa misy ny olana goavana, tsy maintsy izy no miditra an-tsehatra. Ireo manam-pahefana tokony hanao ny asany, tsy maintsy ivelesana latabatra foana vao mihetsika. Raha vao taraiky ny fidiran’ny filoha an-tsehatra, dia eo aloha Ramalagasy miesona eo. Tsy misy mpiraharaha! Vanim-potoana tsy maintsy ifohazana izao mba hanampiana ilay filoham-pirenena.
r.r