Judo-Maneran-tany: laharana faha-7 Rasoanaivo Laura

Vita omaly ny anjaran-dRasoanaivo Razafy Laura, tamin’ny fiatrehana ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Juniors, taranja judo. Laharana faha-7 no nisy ny solontena malagasy.

Omaly no nifaninana teo amin’ny sokajy nisy azy, latsaky ny 70 kg, ny judo­kas malagasy, Rasoanaivo Razafy Laura. Dingana lehibe no vitany satria teo amin’ny ampahefa-dalana izy vao resy ary nitana ny laharana faha-7 amin’ny mpikatroka 39, tao amin’ny sokajiny. Raha hiverenana ny lalana nodiaviny ta­min’ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany ity, tsara fanombohana i Laura, izay nandresy avy hatrany ilay teratany Ro­siana, i Eva Ognivova (IJF), teo amin’ny fihodinana voalohany. Tamin’ny Waza-ri no nandreseny ity mpifanandrina taminy ity. Tafakatra ampaha-16ndalana izy taorian’io ka nifanandrina tamin’ny Kaza­khe Azhar Askhat, ka nahazo fandresena fanindroany. Tera­tany Slovè­ne, kosa no niandry an-dRa­soa­­naivo Laura, teo amin’ny am­pahavalon-dalana, ka resy tamin’ny combat au sol izy, rehefa niady mafy nandritra ny minitra maromaro. Efa nisalotra ny tompondaka maneran-tany io mpifanandrina taminy io. Tsy mbola vita teo anefa ny lalan’i Laura, fa mbola afaka niatrika ny “repêchage” izy ary ilay teratany Allemande, i Tayla Grauer, no nandavo azy.
Zava-bita tsara indrindra no azon’i Laura, teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, raha ny vokatra azony satria voalohany ho azy ny niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany Juniors ary tafiditra tao anatin’ny Top 10 izy. Tapitra ta­min’iny fifaninanana iny ihany koa ny taom-pikatrohana 2024 ho an’i Laura, izay azo lazaina ho taom-pahombiazana ho azy nanomboka tamin’ny lalaon’ny Nosy 2023. Medaly volamena 8 no norombahiny tao anatin’ny herintaona, nahazo ny tapakila niatrehana ny lalao Olympika ihany koa i Laura ary izao tafiditra Top 10 maneran-tany, eo amin’ny sokajy -70kg, Juniors, izao.

Mi.Raz

Partager sur: