Vavahady hidirana eto Madagasikara ny fokontanin’Ivato, toerana hananganana ny Village artisanal, ho fampiroboroboana ny fizahantany sy ny asa tanana malagasy. Hita eny an-toerana avokoa ireo karazana asa tanana sy vokatra mampiavaka ny Nosintsika. Hisy ny toerana ho an’ny varotra fampirantiana sy fampisehoana ny fahaizan’ireo mpanao asa tanana. Vita tanteraka ankehitriny ny asa fanajariana ny tany hananganana ny fotodrafitrasa ka hanao tolo-bidy hifantenana ireo orinasa hanatanteraka ny asa ny fitondram-panjakana.
Ankoatra izay, harenina sy havaozina ihany koa ny fotodrafitrasa misy ny trano fandraisam-bahiny « 5 étoiles » handraisana ireo tomponandraikitra samihafa hoavy eto amintsika, mandritra ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, amin’ny taona 2025. Noho izany, hovitaina ao anatin’ny enim-bolana ny asa rehetra. Voasivana taorian’ny tolo-bidy natao, taorian’ny fifantenana farany ireo orinasa telo hanao ny asa. Hiroso avy hatrany ny asa.
Henintsoa H.