“Star Tour Toamasina” : Andrasana ry AmbondronA

Mbola tsy lefy ny resaka mahakasika ny sehon’ny tarika AmbondronA tetsy amin’ny Coliseum farany teo. Maro ireo mpankafy any amin’ny faritra ny mangetaheta te ahita izany, kanefa ry zareo ao Toamasina aloha no ho tsara vintana mana­raka eo. Anisan’ireo tarika andrasana fatratra mandritra ny “Star Tour”, farany amin’ity taona ity, ny tarika AmbondronA. Ny alahady 13 oktobra no anjaran’ny tarika, eo amin’ny sehatra goavana manoloana ny Lapan’ny Tanànan’i Toamasina. Mialoha izany, ny zoma tolakandro dia efa hisy ny fanentanana isan-karazany eo amin’ity toerana malalaka havadika ho toeram-pialamboly goavana ity. Ny sabotsy 12 oktobra no hanomboka ny andiam-pampisehoana, izay hafanaina mpanakanto mivoy gadona isan-karazany. Anisan’ireny ry Treezey, Ckycky ary i Stephanie. Hialoha ny fiakaran’ny AmbondronA kosa i Wendy Catalina. Toy ny mahazatra, hisahana ny fanentanana ny lalao isan-karazany sy ny hetsika manontolo i Eric Fou Hehy, Barhone ary i Teg.
Tafiditra anatin’ny fanamarihana ny “Oktoberfest”, na ny fetin’ny labiera ihany koa ny “Star Tour” sy ireo hetsika isan-karazany manerana ny Nosy. Nampahafantarina omaly, tetsy Ambodivona, ny andinindininy momba ny fankalazana isaky ny toerana.

Zo ny Aina

Partager sur: