TARATRY ny KANTO

Tselonina, Ifanihy ary Levelo, eny amin’ny Pho Resto aire du By Pass. Anio manomboka amin’ny 4 ora tolakandro ity fiarahana anisan’ny be mpiandry ity. Efa nisy fahiny, saingy mbola be mpankafy hatrany izany. Fiarahan’ny vazo miten’Ifanihy, ny hira vokatry ny tanin’ Ingahibe Tselonina ary ny angolan’ny tarika Levelo, feno ny fepetra ho an’ireo mpankafy kalo an-gitara arahim-baliha.
Hotontosaina anio ny “fanomezan-kasina ny kolontsaina isam-paritra”, hatao etsy amin’ny Tranom­bokim-pirenena Anosy. Hisy ny fampirantiana maneho izany, izay andraisan’ireo faritra rehetra anjara. Tafiditra anatin’ny fanamarihana ny “Lohataona: Taombaovaon’i Madagasikara”, izay nanomboka omaly, izany. Hofara­nana rahampitso amin’ny fihaonan’ireo “olobe” eny Anatirovan’Antananarivo ny hetsika.
« Eo an-kianjan’ny fiderana e! ». Hiaka-tsehatra eny amin’ny Kianja maitso Antsahamanitra, anio tolakandro, ny tarika Joseph d’Af. Hifampizara sehatra
amin’izy ireo amin’izany ny tarika Miantsa Fiderana. Efa vonona ny rehetra hanome seho miavaka ho an’ny mpankafy azy ireo.
Gadona Reggae ranoray no ho hita eny amin’ny 44 Bistrot Tsaralalàna, anio, ao anatin’ny “Babylon Ah Fall #4”. Hetsika karakarain’ny Ital Tunes Sound System. Ny Othentik-Ras no hanafana ny fampisehoana. Manom­boka amin’ny 2 ora tolakandro hatramin’ny misasakalina ny hetsika.

Partager sur: