Seho tetsy Antsonjombe : tanora 22 mianadahy voasambotra

Tsy mety fay! Tanora 22 mianadahy indray tratra nanao fandikan-dalàna nandritra ny lanonana famaranana ny “kopi-kole” teny Antsonjombe, afakomaly. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo (CSP8) no nahasambotra azy ireo. Nisy ireo tao anatin’ny kianja no voasambotra, tao kosa ireo teny ivelany, araka ny tatitra nampitain’ny teo anivon’ny lehiben’ny CSP8. Misy amin’ireto tratra ireto noho ny fanendahana, fifohana rongony sy fanakorontanana nandritra ny fampisehoana teny Antsonjombe. Raha ny antontanisa nomen’ny polisy, miisa 16 ireo tratra teo am-panendahana ka efatra amin’izy ireo no voasambotry ny polisin’ny CSP8 raha fito kosa saron’ny polisin’ny Fip. Ny dimy ambiny kosa fiaraha-miasa tamin’ny zandarimaria no nahasamborana azy ireo. Roa tamin’izy ireo no nahatrarana rongony raha efa-dahy kosa tratra niady ka nosamborin’ny polisin’ny Fip. Miankina amin’ny fandikan-dalàna nataon’izy ireo no ahafahana mitondra ny raharaha eny anivon’ny fampa­noavana, raha ny fanazavan’ny polisy hatrany.

J.C

Partager sur: