67 HA : maty voatifitra i Mika kely mpanafika Cash point

Nikotrika hanao fanafihana Cash point toy ny fanaony ny andian-jiolahy nitondra moto teny 67 Ha, ny alahady 06 oktobra teo. Nitondra moto, nivezivezy teny amin’ny manodidina ireo olon-dratsy ireo. Tsikaritry ny mponina manodidina anefa ny fihetsiny izay tsy mazavazava. Nam­pandre ny manam-pahefana avy hatrany izy ireo. Nigadona teny an-toerana, nitily ireo olona nampiahiahy ireo ny polisim-pirenena eo anivon’ny Sag. Nandositra ireo jiolahy vantany nahatazana ny polisy. Raikitra ny fifanenjehana. Nitondra fitaovam-piadiana. Nikasa hanohitra ireo olon-dratsy. Nifampitifitra ka lavon’ny bala ny roa lahy tamin’ireo mpandroba.
Roa lahy tafaporitsaka
Nandritra ny sakoroka tao anaty haizina, nanao tongotra an-katoka ny roa lahy naman’ireo jiolahy lavo ireo. Niezaka nanara-dia ny polisy saingy tsy hita soritra ny toerana nisitrihan’izy mirahalahy. Tetsy ankilany, nojerena ireo roa lavo. Fantatra tamin’izany, mpamerin-keloka amin’ny asa ratsy toy ny fanafihana Cash point sy vaky trano izy ireo. Nahatrarana basy sy antsy fampiasany amin’ny fanaovana ny asa ratsy teny aminy. Raha tsiahivina, lehilahy iray voaambana sabatra ka voaroba vola 200 000 Ar teny Andohatapenaka izay tsy lavitra an’ny 67 ha, ny herinandro lasa teo.

Tsiferana R.

Partager sur: