Mialà amin’ny mahazatra!

 

Mila tonga saina Ra-Malagasy! Fa tsy ho vitavita mora ity olan’ny sosialy ity.  Tena difotry ny fahantrana ny mponina. Tsy misy intsony ny kilasy antonony izay tokony ho mpampihodina ny ankamaroan’ny seha-pihariana. Andaniny ny mpanefoefo, mpanontany ny ory. Ankilany ny fadiranovana resin’ny fiainana. Tsy misy afaka ny hilaza ny mifanohitra amin’izay.
Mahantra, madio ivelany ny ankamaroan’ny olona ankehitriny. Mba mihaingo ihany fa mantsimantsin’ny tsy fahampian-drano. Tsy misy afa-bela fa tsy maintsy mandahatra zerikanina mavo na ireo tsy mpandray ravindena aza. Tsy voavidin’ny vola intsony ny filaharana eny amin’ny paompy fa samy manavotra ny ainy. Toerana iray hany tsy ahitana kolikoly sisa. Tsy misy maha olona ambony na sahirana fa izay tonga aloha ihany no misitraka ilay rano mitsitaitaika.
Mifono zava-dalina sy fomba fisainana sadasada ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Misy olona manao fanahy iniana ao ambadiky ny fijaliam-bahoaka. Ny olana anefa, tsy noho ny tombontsoan’ny besinimaro no hanaovan’izy ireo izany fa mainka mandetika any anaty lavaka. Misy tombontsoa manokana tsy hay hazavaina, mihodinkodina any ambadimbadika any. Misy ny manao izay ahatapitra ny ain’ilay Jirama, misy indray ny te hijapy soavaly ho taingenam-bozona.
Manoloana izany, miankina amin’ny mpanjifa na mbola hisafidy ny hijafajafa na mba hitady vahaolana mifanandrify amin’izay. Tsy voatery hiandry fahagagana fa ny alahelo tsy ambara havana zakan’ny tompony ihany. Tsy hoe malaza mahari-pery akory, dia hizaka ny tsieran’ny aina. Mila mijoro, mahasahy manova ny fahazarana izay mety efa tsy mifanaraka amin’ny toetrandro intsony. Tsy sarotra ny miala amin’ny mahazatra rehefa hita fa hahafaty!

r.r

Partager sur: