Nampiray sy nampiombona ny vahoaka malagasy rehetra manerana ny faritra 23 teto amin’ny Nosy ny fankalazana ny lohataona: taom-baovaon’i Madagasikara teto Antananarivo. Namoriana olona 1 274 ny lanonana ofisialin’ny fankalazana. Mbola nihoatra izay ny olona tonga tetsy amin’ ny tranombokim-pirenena, izay nanaovana hetsika fampirantiana ireo haren-tsaina isam-paritra, ny sabotsy teo. Nihoatra ny 20 ireo tahirin-kevitra an-tsary. Nahatratra 44 ny hira sy dihy nentim-paharazana. 23 ny isan’ny tarika na trope nanatontosa ny hetsika ara-kolontsaina.
Harena ny fampirantiana naseho. Ho an’ny faritra Bongolava, nasongadina ny fomba fiainan’ny olona sy ny vary mainty. Ho an’i Vakinankaratra, naseho ny vary sy karaoty. Ho an’ny faritra Matsiatra Ambony, nentin’izy ireo tao ny haitao mifandraika amin’ny nentim-paharazana. «Lohataona, vanim-potoana iray mampazava ny andro, fandaozana ny ririnina… Manomboka eo amin’ny lohataona avokoa ny fahatsarana rehetra», hoy Rakotomavo Tsiky, tale misahana ny maha izy ara-kolontsaina eo anivon’ ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Vanim-potoanan’ny fahazavana sy fahavelomana ary hanombohan’ny hetsika ara-kolontsaina rehetra ho an’ny firenena any amin’ ny faritra Asia Antsinanana ihany koa. Nokarakarain’ny Communauté royale de Madagascar (CRM) ny hetsika ara-kolontsaina. Niahy izany kosa ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.
Mino