Basikety : mpitsara 16 nahazo diplaoma

Miroso mankany amin’ny fampandrosoana ny lafiny fitsarana lalao ny Federasiona malagasin’ny basikety. Nandritra ny lalao famaranana ny fifaninanam-pirenena N1A, teny Mahamasina, no namoahana sy nanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpitsara miisa 16 mianadahy. Ankoatra ny mari-pankasitraha, nahazo mari-pahaizana avy amin’ny Fiba Afrika ihany koa izy ireo. Tsiahivina, niatrika fiofanana sy fanadinana ireo mpiofana ho mpitsara ny 28 ka hatramin’ny 31 oktobra 2023. Ny mpampiofana iraisam-pirenena avy eo anivon’ny Fiba, i Leslie Cherubin, no nitarika ny fampiofanana izay notontosaina teto Madagasikara. Ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel, notronin’ireo mpikambana eo anivon’ny FMBB sy ny rafitra mitantana ny mpitsara eto Madagasikara no nanolotra ny mari-pankasitrahana ho an’izy 16 mianadahy, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny alahady 6 oktobra lasa teo.

Mi.Raz

Partager sur: