SOMBIM-BAOVAO

Norombahin’ny ekipa PDJA, nahitana an’i Mac Siou sy i Kenny Noel, ny voalohany tamin’ny karting 60 mn chrono, natao ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Havoana land Imerinkasinina. Nahatontosa fihodinana 48 ry zalahy, tamin’ny halavirana 900 m. Faharoa i Dive Bomb ary fahatelo Razafindratsimba Mboara, nandresy tamin’ny taon-dasa.

Handray anjara amin’ny fiadiana ny «Cosafa Cup», taranja baolina kitra, ny vehivavy Barea. Fihaonana hotanterahina any Afrika Atsimo, ny 22 oktobra ka hatramin’ny 2 novambra, ho avy izao. Hatao any Johannesbourg ny antsapaka amin’ity lalao ity, anio, hahalalana izay iray vondrona.

Notoloran’ireo mpitantana eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) fanampiana toy ny gonim-bary sy lelavola ireo klioba rehetra ao amin’ny fifanintsanana nasionaly, sokajy vehivavy, zokiny sy zandriny U17. Tsiahivina fa efa nanao izao hetsika izao ny FMF tamin’ireo klioba nanao ny D2 nasionaly, lehilahy.

Nodimandry, omaly, i Johan Neeskens, holandey mpilalao baolina kitra. 73 taona izy izao nandao ny tany sy ny tontolon’ny baolina kitra izao. Araka ny fikarohana natao, mpilalao afovoany manana ny toerany tao amin’ ny ekipam-pirenen’i Pays-Bas ny tenany. Izy sy i Johan Cruyff no mpilalao nisongadina tao amin’ny Oranje
tamin’izany.

Partager sur: