“Lecture en rire tours 2024” : mampifandray ny hatsikana sy ny vaky boky

Tanterahina, anio, eny amin’ny Trano famakiam-boky Amboditsiry, ny “Lecture en rire Tours 2024”. Hetsika mam­pifandray ny hatsikana sy ny vaky boky izy ity. Tsy ny hatsikana irery ihany fa misokatra amin’ireo zavakanto maro samihafa koa ny hetsika. Ny Fitaleavana misahana ny haikanto, kolontsaina sy vakoka ary fiainam-piarahamonina, eo anivon’ny Kaominina An­tananarivo Renivohitra sy ny vondrona mpanao hatsikana “Be Tige” no mpikarakara. Fam­piroboroboana ny vaky boky sy fanentanana ny olona eny ifotony ho tia izany ary fanomezana sehatra ireo mpanakanto vao misandratra, no tanjon’izy ireo amin’izany. Amin’ny ankapobeny, ny hatsikana sy ny Slam poèsie no tena hahazo vahana ary ireo mpanakanto miangaly ireo zavakanto ireo no handray anjara amin’izany.
Tafiditra ao anatin’ny an­diany farany amin’ny « Lecture en rire Tours 2024 », amin’ity taona ity, ny hatao anio. Miisa enina mianadahy izy ireo no hifandimby hanafana ny sehatra ka anisan’izany i Ideali­soa, Mitsinjo, Feather, Julio, Tsiresy ary Raitra. Izy ireo izay mpanao hatsikana ny sasany ary mpiangaly Slam poèsie ny hafa. Aingam-panahy avy amin’ny famakiam-boky no raiketin’ireo mpanao hatsikana sy mpiangaly Slam Poèsie an-tsehatra, misy koa ny adisisika momba ny lohahevitra nosafidina.

Lin

Partager sur: