TARATRY ny KANTO

“Tontolo Toly”, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Anio manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ilay velakevitra iarahana amin’i Toly, mpanoratra sy poeta. Ho avy hifanotrona aminy ireo namany ao amin’ ny Faribolana Sandratra, ahitana an-dry Ranoe, Zo Maminirina, Tsitohery, sns. Eo ihany koa ireo mpanakanto efa niara-niasa taminy toa an’i Tovo Andrianan­draina sy Ifanihy.

Loko Gasy, etsy amin’ny No comment Bar Isoraka. Hanomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina ny fiakarana an-tsehatra ho an’ny tarika Loko Gasy. Hitondra gadona maroloko, misy fototra tena Malagasy toa ny antsa sy ny beko ireto mpanakanto vao misandratra ireto. Natao ho an’ireo mpankafy mozika, indrindra ireo tia mihaino zava-baovao ny seho anio.

Ao anatin’ny fampirantiana “Ravorona” etsy amin’ny Zone Zital Ankorondrano, anio,no ahitana ny atrikasa famadihana ireo fako mbola azo ahodina ho zavakanto. Andri Marcle, mpanakanto mpiangaly haikanto plastika no hitarika izany. Tilina manokana amin’ izao hetsika izao ny ankizy.

Tanterahina nanomboka ny 2 oktobra 2024 hatramin’ny 2 novambra 2024, eny amin’ny Cites des arts Antaninarenina, ny “Reflet intérieur”, fampirantiana sy atrikasa ary “Arts thérapie”. Hetsika hanasana ny mpitsidika hihanoka zotran-dia hahafantarana ny maha izy azy amin’ny alalan’ny zavakanto.

Partager sur: