Anio 9 oktobra no hiakatra tatami ny solontena malagasy, Randrianavalona Tsiky Mialy Fanomezantsoa, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany taranja karate, hatao any Venise Italie. Toy izao ny resaka nifanaovana taminy.
Gazety Taratra (*): Manao ahoana ny fahavononana?
Tsiky Mialy (-): Vonona tsara hanome izay farahery. Efa niomana tsara ary vonona hiatrika izay mpifanandrina ho amin’ny anio.
*Manao ahoana ny herijika hiatrehina izany fifaninanana maneran-tany izany?
-Manana herijika ambony aho. Vao mainka manosika ahy hanome izay rehetra avy aty amiko ny fahitako ny delegasiona hafa aty. Izaho irery no aty kanefa izy ireo marobe fa vao mainka mampiakatra ny herijikako izany.
*Toy ny ahoana ny fandraisanao ny fanehoan-kevitra isan-karazany?
-Faly aho mahita ireo fanehoan-kevitra marobe sy ireo firariantsoa, na aty an-tany lavitra aty aza dia eo foana ireo mpanohana. Misy ihany koa anefa fanehoan-kevitra mandrabiraby sy mahakivy fa tsy mampaninona ahy ireny fa vao mainka mandrisika ahy hanao zavatra tsara.
*Inona àry ny tanjona amin’ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity?
-Hiady no alehako aty. Araka izany, tanjoko ny hiakatra podium sy hanome ny tsara rehetra, indrindra ny mba hampiakatra ny voninahi-pirenena.
Mi.Raz
Mpikatroka 55 avy amin’ny firenena maro maneran-tany no hifaninana, ao amin’ny sokajy latsaky ny 55kg, kumite, Senior, misy an-dRandrianavalona Tsiky Mialy Fanomezantsoa. Fifaninanana hatao manomboka anio hatramin’ny 13 oktobra izao.