Notontosaina, omaly, tany Johannesburg Afrika Atsimo, ny antsapaka ahafantarana ireo mpiray vondrona amin’ny fifanintsanana baolina kitra, sokajy vehivavy, ho an’ireo firenena aty amin’ny faritra Afrika Atsimo Atsinanana “Cosafa 2024”. Ao amin’ny vondrona “B” ny misy ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Hifandimby hihaona amin’ny ekipantsika amin’ izany i Malawi, Botswana ary ny Nosy rahavavy Maurice.
Tsara marihina fa hatao ao Gqeberha Port Elizabeth Afrika Atsimo, manomboka ny 22 oktobra hatramin’ny 2 novambra ho avy io ity fifanintsanana ity. Araka ny fanazavana voaray, ireo voalohany isam-bondrona ihany no tafita amin’ ny dingana manasa-dalana. Ankoatra izay, tsy mbola fantatra ny anaran’ny mpanazatra ny Barea, vehivavy, raha toa ka efa mizotra ny fifanintsanana nasionaly eto an-toerana.
Tsiahivina fa tamin’ny taon-dasa, ratsy ny vokatra azon’ny ekipa nasionaly malagasy nandritra ny “Cosafa 2023”, izay natao tany Afrika Atsimo ihany. Faharesena telo tamin’ ireo lalao telo no azon’ny Barea, vehivavy, tamin’izany.
Tompondaka