Mazava be toa karatry naivo ny tatitra mikasika ny fankalazana ny krismasy fa nahazo vahana ny tsy fandriampahalemana. An-jatony ny olona voasambotra noho ny halatra, fanendahana, fandrobana, vaky trano sy fanafihana mitam-piadiana. Maro ny tsy manan-tsiny lasibatra. Betsaka ny fongana fananana sy very herim-po tanatin’ny minitra vitsy monja. Tao anatin’ny andro vitsy, firifiry ny olona maty? Ankoatra ireo, nahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana, indrindra fa ny moto. Nisy ny namoy ny ainy, teo ny naratra marobe. Raha fehezina, toa tsy milamina ny tanana. Tsy voaaro amin’ny endriny rehetra ny sarababem-bahoaka.
Inona anefa no mahatonga izany? Tsy hita izay ho ampangaina mivantana satria manontolo iray lehibe, manana singa maro mandrafitra azy ny fiarahamonina misy antsika. Homen-tsiny ny mpitondra fanjakana, izay miandraikitra ny resaka politika, heverin’ny maro fa rangory fototry ny afo. Anisan’ny mahazo kiana mamaivay noho ny tsy fahombiazana. Tsy voafehy intsony ny fidangan’ny vidim-piainana. Ny asa tsy misy, hany ka mivelona tsipozipozy ny ankamaroan’ny olona. Tsy mahagaga: “ Aleo maty rahampitso toy izay maty anio”, hoy ny oha-pitenena Malagasy. Fitazoman’aina sisa ny an’ny ankamaroan’ny mponina.
Tsy afa-miala, tomponantoka feno ihany koa ny manampahefana toy ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana. Noho ny resaka kolikoly sy ny kintranoantrano dia misy ny tsy maty manota. Misy ny olon-dratsy tratra, misy ny mpamily tsy manaja lalàna saingy tsy voahenjika. Tsy mahagaga ny fahitana ny samy manampahefana mifampiampanga sy mifanenjika. Na izany aza, atao hoe tsy mahafehy ny asany anefa sarotra ihany. Maro ny antony tsy ahafahan’izy ireo manoatra. Tsy ampy ny olona, tsy ampy ny fitaovana. Misy amin’ny sampandraharaha aza, amin’izao fotoana, no efa mamoaka vola am-paosy hamitana ny iraka. Ny mpitandro filaminana no mianton-tena amin’ny solika na ny fahana finday hiasana. Voarimbina ny volam-pianakaviana, natao ho sakafon’ny vady aman-janaka noho ny fitiavana taninjakana sy mpiray tanindrazana. Marary ihany koa ilay rafitra.
Farany, manana adidy lehibe, tsy afaka ny hialokaloka anaty fahantrana ny vahoaka. Tsy tokony hifampiaro amin’ny ratsy. Mila mahasahy manondro ny olon-dratsy any anaty fiarahamonina. Matetika, manome vahana ny jiolahy, ny fiarovana sy fanafenana ataon’ny mpifanolo-bodirindrina azy ireny. Tokony rehefa vandana dia kary. Na miezaka toa inona aza anefa ny polisy sy zandary, raha vao tsy misy ny loharanom-baovao “manontsana” dia hananosarotra ny hifehy ny toe-draharaha.
Hiditra amin’ny famaranana ny taona isika, vanim-potoana izay malaza ratsy ho fanaovan’Andriamanitra “inventaire” na ny fiantsoan’ny ray mody any aminy. Mitaky fiaraha-mientan’ny rehetra ny fisorohana ny loza amin’ny endriny rehetra. Mitaky fanomezan-tanana ny famerana ny asan-jiolahy izay matetika mahafaty olona. Mila filaminana isika.
r.r