Naratra voafira antsy teo amin’ny lohany ny zandary iray tao Ambohitsabo, Toliara, omaly maraina. Nandeha moto vao maraina ity mpitandro filaminana ity. Tsy nanampo na inona na inona, nifanehatra tampoka tamin’ny olon-dratsy izy. Nitondra famaky ireo mpandroba. Nidaroka sy nampiasa ny famaky teny aminy. Tratry ny be no ho vitsy raha teo ilay zandary ka tsy afa-nanohitra. Nendahin’ireo tsy valahara avokoa ny kapa, niampy ny peratra sy fanalahidin’ny moto teny amin’ io zandary niharam-boina io. Nitsoaka ireo jiolahy taorian’izay. Nentin’ny tsara sitrapo nihazo ny toeram-pitsaboana ilay zandary. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny polisy. Efa mpanao asa ratsy teo amin’io toerana io ireo nahavanon-doza ireo. Raikitra ny fisamborana. Vokany, jiolahy roa maty voatifitra io omaly io ihany rehefa nandositra sady nanohitra ny mpitandro filaminana. Karohina kosa ny namany. Tsy ahina ny ain’ilay zandary izay efa manaraka fitsaboana amin’izao fotoana.
Tsiferana R.




