45 ème Grand RIM : mpanamory 31 hiady lohany

Nifarana ny talata teo ny fizahan-dalana, ho an’ireo mpanamory 31 hiady lohany amin’ny andiany faha-45 amin’ny Grand Rally International de Madagascar. Fifaninanana, hatao eto Antananarivo ny 11 ka hatramin’ny 13 oktobra ho avy izao. Hiatrika ny fizahana teknika izy ireo, anio, ary hiatrika ny dingana voalohany rahampitso. Hanatontosa ny dingana manokana “ES” miisa 2 izy 31 mianadahy mianaka, amin’izany. Tanterahina mandroso sy miverina izany, mampitohy an’Andrianjoky sy Ambohimasina, mirefy 12,22 km. Hitohy ny sabotsy indray izany ka “ES” miisa 6 no indray tanterahina ary ny “ES” 4 ambiny hotontosaina ny alahady. Mahatratra 187,12 km ny halavan’ny “ES” amin’ity Grand Rally International de Madagascar ity.
Marihina fa dingana fahefatra amin’ny fifaninanam-pirenena ity hatao ity izay karakarain’ny klioba ASA Tana. Hanana ny lanjany izany satria mety hamaritra sahady izay hisalotra ny anaram-boninahitra amin’ity taona 2024 ity. Tsiahivina fa mitarika vonjimaika aloha hatreto, i Mathieu sy i Andry Tahina, avy amin’ny klioba Asacm.

Torcelin

Partager sur: