Olan’ny rano : nandroso vahaolana ny fitondram-panjakana

Efa ao anatin’ny fitadiavam-bahaolana entina mamaly ny filan’ny vahoaka sy mamaha ireo olana misy ankehitriny ny fitondram-panjakana. Anisan’izany izao vahaolana fohy ezaka tanterahina izao.

Efa niatrana teny amin’ny Lapam-panjakana Iavo­loha, nanomboka oma­ly, ireo fiarabe hitatitra rano ho amin’ny ireo « Bonbonnes », izay efa miparitaka manerana ny tanànan’Antananarivo. Ani­san’ny fepetra noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra, natao ny alarobia teo, izany ho vahaolana fohy eza­ka amin’ny olan’ny rano eto Antananarivo Renivohitra. Tanjona ao anatin’izao ny hampihenana ny olan’ny rano izay mianjady amin’ny mponina, indrindra ny eto Antana­narivo. Tsy hijanona eo ihany anefa ny fitondram-panjakana fa hiezaka hikaroka hatrany ny vahaolana maharitra ho an’ity olan’ny rano ity.
Vinan’ny fitondram-panjakana ny hanajana ny maha olona sy ny tany tan-dalàna. Izany indrindra no anton’izao ezaky ny mpitondra izao ho famahana sy fanamaivanana ny olan’ny vahoaka eo amin’ny fiainany andavanandro. Nanome toromarika ny filoham-pirenena, Rajoelina An­dry, nandritra ny filankevitry ny minisitra ny hamondronana ireo fiarabe mpitatitra rano. Ankoatra ireo efa eo am-pelatanan’ny minisitera sy ny Jirama, misy ny fiaraha-miasa amin’ny vondrona tsy miankina mba hahamaro izany fiarabe mpitatitra rano izany.
Ankoatra izay, napetraka ny «Centre de Comman­de­ment Opérationnel » mba handrindrana ny asa sy ahafahana mandray fepetra manoloana ny toe-javamisy. Ny minisiteran’ny Rano sy fidiovana ary fanadiovana no hiandraikitra ny lafiny tekinika amin’izany saingy hifarimbona amin’ny fanatontosana kosa ny governemanta iray manontolo, ho famaliana ny filan’ny vahoaka. Araka ny nambaran’ny filoha, mifampiankina ny olan’ny famatsiana herinaratra sy ny famatsiana rano. Hisy, araka izany, ny fanafainganana ny fanatanterahana ireo tetikasa lehibe, izay vahaolana lavitr’ezaka, eo amin’ireo olana ireo. Anisan’izany ny PAAEP sy ny Tana Water III.

Lin

Partager sur: