Seranam-piaramanidina Ivato : azo antoka ny famatsian-drano

Miandraikitra ny famatsian-drano ireo fiaramanidina miainga eny amin’ny seranana iraisam-pirenena Ivato Antana­narivo ny orinasa MGH. Nandray fepetra ity orinasa ity mba tsy hiantraika any amin’ny kalitaon’ny tolotra omena ireo kaompania vahiny. Manome toky ny MGH fa azo antoka hatrany ny famatsian-drano fisotro any anaty fiaramanidina ho an’ireo kaompania miainga eny Ivato. Andraikitra neken’ny orinasa ny fanajana ny fepetra mifehy ny famatsian-drano fisotro madio anaty fiaramanidina, hitandroana ny kalitaon’ny tolotra omena.
Nomarihin’ny orinasa Ravinala Airports, mitantana ny seranan’Ivato, fa tsy nahazo fitarainana mihitsy izy ireo avy any amin’ny kaompania ana habakabaka, mahakasika ny famatsian-drano eny amin’ny fiantsonana eto an-toerana sy ny iraisam-pirenena. Misy ny tahirin-drano manokana ao amin’ny seranam-piaramanidina. Eo am-pikarohana vahaolana maharitra ny Ravinala Airports, hiantohana ny hatsaran’ny kalitao omena ny mpandeha. Efa mandeha ny fanadihadiana ara-teknika handavahana lavadrano.

Njaka A.

Partager sur: