« Salon de l’Auto » : hasandratra ny fiara elektrika

Nanomboka omaly hatramin’ny 13 oktobra ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny hetsika « Salon de l’auto », karakarain’ny Vondrona mpanafatra sy mpivarotra fiara eto Madagasikara (GCAM). Miisa 10 ny mpikambana ao aminy, ary 25 ny mpampiranty, ahitana mpivarotra fiara amin’ny ankapobeny, kamiao, fiara vaventy enti-miasa, moto, kojakoja, vokatra ilain’ny fiara, mpisehatra mifandray amin’ny fiara, sns. Vinavinaina ho 22 000 ny mpitsidika.

Atao isaky ny roa taona ny « Salon de l’Auto ». Hiavaka amin’ity andiany faha-14 ity ny fiara sy moto mandeha amin’ny angovo elektrika. Nilaza ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), Ramonjavelo Valery, fa « manohana ny fampiroboroboana azy ny fanjakana, mahatonga ny fiara elektrika tsy hakana haban-tseranana ».

Nanamafy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Andonirina Max Fontaine, fa misy ny fandaharanasan’ny fanjakana, tohanan’ny Tahirimbola mahakasika ny tontolo iainana (GEF), mitentina 2 tapitrisa dolara, mahakasika ny fiara elektrika. Hatao toerana filamatra hanombohana azy Antananarivo sy Toamasina. Nomarihiny fa kely tokoa ny fandaniana satria misanda 2 000 Ar ny mamahana ny herinaratra ahavitana halaviran-dalana 200 km ho an’ny moto elektrika iray, vidiana 6 tapitrisa Ar. Manodidina ny 100 tapitrisa Ar kosa ny fiara elektrika iray.

Njaka A.

Partager sur: