VOKATRA Lomotra : hampitomboina 30 000 taonina, amin’ny 2030

« Hampakarina 30 000 taonina ny vokatra lomotra maina eto amintsika amin’ny taona 2030 raha toa ka manodidina ny 3 000 t izany amin’izao fotoana ». Io ny nambaran’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, omaly, tetsy amin’ny Café de la Gare Soarano, nandritra ny atrikasam-pirenena ho fampiroboroboana ny fambolena lomotra an-dranomasina. Mitaky ezaka maro sy lamina samihafa, hoy izy, ny fanatanterahana ny tetikasa mba hahafahana miady amin’ny aretina mety hahazo ny lomotra. Ao anatin’izay ny fandrindrana ny lalàna hifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny tontolo iainana sy ny andavanandron’ny mponina ny lomotra. Mitombo ny filana ny vokatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no­ho izy azo ampiasaina amin’ny sakafo, fanafody, bika aman’endrika (cosmétique), ny angovo sns.
Vina
Nivoaka nandritra ny atrikasa natao ny tondrozotra hahafahan’i Madagasikara mampiroboro ny famokarana lomotra. Hapetraka eto amintsika ihany koa ny « banque de souches d’algues » hahafahana mitahiry sy mampivoatra ny fambolena. Nivoitra nandritra ny atrikasa ny fifankalozan-kevitra teo amin’ireo mpisehatra avy eto an-toerana sy avy any ivelany hampiroboroboana ity fihariana ity eto amintsika.
Marihina fa mamorona asa sy mampidi-bola ny fambolena lomotra ary manondram-bokatra any ivelany avokoa ireo orinasa dimy mitrandraka izany eto Madagasikara.

Henintsoa Hani

Partager sur: