Mirefy 15 km amin’ny 75 km ny lalana efa vita godirao any amin’ny lalam-pirenena RN5. Miainga eo Soanierana Ivongo hatrany Vahibe, ka efa nahitana fiovana ny 45 km. Miara-miombon’antoka mamatsy vola ny asa ny Badea, ny FSD, ny ADFD, ny Opep Found, ny FKDEA ary ny fanjakana malagasy. Miisa 8 ny tetezana hamboarina, mitotaly 1 km.
Mahatratra 3-4 t/ha ny vokatra ampemba azo, nampiasana masomboly karazana roa (Gobi sy 76) tamin’ny tetikasa andrana tamina tany 3 ha. Mahatanty ny fiovan’ny toetr’andro ireo masomboly ireo, zakan’ny toe-tany tsara any atsimon’ny Nosy. Tanjona ny hamokarana masomboly 100 t amin’ny taona 2025.
Tanterahina ny 31 oktobra ny fihaonana an-tampon’ny filoham-pirenena sy governemantan’ny Tsenam-paritra aty Afrika Atsinanana sy Atsimo (Comesa). Hisy koa ny fihaonambe ho an’ny mpandraharaha ara-toekarena, ny 28 oktobra. Ho tombanana ny fandaharanasa fampiraisana ireo faritra mpikambana sady hijerena ny hoavy.
Mitondra vahaolana amin’ny ampahany mahakasika ny famatsian-drano eto an-dRenivohitra sy ny manodidina ny fampitomboana ireo fiarabe mpitatitra rano. Tsy maharaka ny filan’ny mponina anefa ireo bonbonnes napetraka. Mangataka ny hampitomboana ny isan’ireo izay efa mipetraka eny amin’ny fokontany ny mponina.