Ady amin’ny Sida: nilaza ho tsy nanodinkodim-bola ny CNLS

Nandritra ny fihaonan’ny komitim-pirenena momba ny ady amin’ny Sida na ny CNLS tamin’ny mpanao ga­zety, omaly, dia niaiky izy ireo fa nisy tsy fahatomombanana ny lafiny fitantanana saingy tsy nisy kosa ny fanodinkodinam-bola.
Nilaza ho vonona amin’ny fiatrehana ny fanadihadiana ataon’ny “Inspection générale de l’Etat” (IGE) ireo mpitantana ao amin’ny CNLS ary nambaran’izy ireo fa efa mandalo fanadihadiana matetika amin’ny lafiny fitantanana toy izao izy ireo.
Fomba entina milaza fa voara-maso matetika sy ara-potoana ny fitantanana ao amin’ny komitim-pirenena momba ny ady amin’ny Sida.
Nitondra fanazavana ny CNLS fa tsy marina velively ary tsy mitombina ny filazana fa nisy fanodinkodinam-bola teo anivon’ity rafitra miady amin’ny Sida ity. Nilaza ny sekretera mpanatanteraky ny CNLS, Rasoanarivo Jasmina fa nandritra ny fitantanana teo aloha tao anatin’ny taona 2019-2020 no nisy io fitantanana tsy dia nety io fa tsy mahakasika ireo mpitantana amin’izao fotoana
Na izany aza, niaiky izy fa nisy ny tsy fahatomombanana tamin’ny lafiny fitantanana ny vola satria nisy ny famoaham-bola izay tsy mifanaraka amin’ ny fenitra voasoritra mazava, “dépense inéligible”. Raha ny fanazavana dia nisy ny vola izay navoaka ary nampiasaina tamin’ny fividianana fitaovana tsy voasoritra anaty fampiasam-bola tokony ho natao.
Tsy manaraka ny fepetra samihafa tokony harahina amin’ny fitantanam-bola iha­ny koa izany. Nambaran’ny CNLS fa ireo famoaham-bola ireo dia mamaly soa aman-tsara ny tanjona voasoritry ny tetikasa tsirairay nahazo fankatoavan’ny teo anivon’ny Tahiry iraisam-pirenena mia­hy ny ady amin’ny Sida, sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny CNLS, saingy ireo taratasy fanamarinana samihafa no nipetrahan’ny ahia­hin’ireo mpiara-miombon’antoka. Manodidina ny 143 740.92 dolara eo ho eo ny vola tsy mazava ny nampiasana azy ka nahatonga ireo PTF nanitrikitrika ny tokony ha­naovana fanadihadiana mom­ba ny nampiasana azy tao amin’ny CNLS.
Neken’ny eo anivon’ny filankevitry ny ministira notarihin’ny filoham-pirenena, tamin’ity volana desambra ity, ny hanaovana izany fanadihadiana sy famotopotorana iza­ny. Nanizingizina ny hamerenana ny vola tsy mazava mihitsy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny CNLS raha mitombina ny ahiahin’izy ireo ny amin’ny fanodinkodinam-bola mety niseho.

Tatiana A

Partager sur: